|
|
|
|
|
|
|
FIARAHA-MIVAVAKA IRAISAM-PINOAN'
ny KRISTIANA MALAGASY
WASHINGTON D.C sy ny MANODIDINA
|
Tamin'ny taona 1985 no nanomboka nisy ny fiaraha-mivavaky ny Malagasy eto Washington
sy ny manodidina.
Maro amin'ireo Malagasy monina aty Amerika avaratra sy ireo izay
mandalo no tonga manotrona izany fiaraha-mivavaka
iraisam-pinoana izany. Antokom-pinoana Kristianina
samihafa no mameno ny maha iraisam-pinoana ny fiaraha-mivavaka
satria ahitana Kristianina avy amin' ny antokom-pinoana
Adventista, Anglikana, FJKM, Katolika ary Loteriana.
Ny fiaraha-mivavaka dia mampiasa ny litorijia Ekiominika amin'
ny teny Malagasy izay voarakitra ao amin' ny boky Miara-Mizotra
ka fampiasan' ny any an-tanindrazana rehefa misy
fotoam-pivavahana iraisam-pinoana.
Ny 11 Febroary 2001, tafatsangana ny Komity vaovao
mpandrindra ny fiaraha-mivavaka amin' ity taona 2001 ity. Ny Komity dia
miandraikitra ny fandaminana sy fikarakarana ny fiaraha-mivavaky
ny malagasy mandritra ny Paska, ny Fetim-pirenena Malagasy, ary ny
Krisimasy.
Mba hahatomombana ny fandaminana rehetra
ilaina mialoha ny fotoana izay karakaraina dia raisin'ny komity an-tanandroa hatrany ireo
rehetra vonona ny handray anjara sy hanohana ny fiaraha-mivavaka.
Toy ny firotsahana amin� ny fifarimbonana amin' ny fitarihina
ny fotoana izany, ny famakian-teny, fitatazana ny
rakitra, sy ny andraikitra maro hafa sns....
Ny Komity Mpandrindra dia afaka mandray ny hafatra sy
soso-kevitra amin�izao adiresy manaraka izao: [email protected].
|
|
Miverina eny ambony
|
|