Isaorana ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny fiaraha-mivavaka Paska 2001,
natao tao amin� ny Fiangonana Wesley
Theological Seminary, 4500 Massachusetts Avenue NW, Washington,
DC izay notarihan'ny Mpitandrina Emmanuel
Tehindrazanarivelo.
Nisy ny Fandraisana ny Fanasan�ny Tompo. Rehefa vita ny fotoam-pivavahana dia
niara-homana ny sakafo
izay nentin'ny isan-tokantrano ny rehetra. Finaritra ny
lehibe sy ny tanora tafahaona sy afaka ny tafasiry. Faly
ny ankizy (12 taona no midina) fa tsy diso anjara tamin'ny
famalifaliana azy ireo nikaroka atody sy vatomamy izay
nafenina tany an-tokontanim-piangonana. Nikorana ny
rehetra ka ny masoandro maty no nampalahelo.
Toy izao manaraka izao ny fandaharam-potoana tamin' ny
fotoam-pivavahana:
Zava-maneno
(Orga)
Fiarahabana
Vavaka
Hira:
Avia ry vazan-tany O (Miara-Mizotra Pejy 38 andininy 1)
Avia
ry vazan-tany o!
Sy
mponina ao an-danitra
Miraisa
feo ka mihira
Ny
fanavotan-dehibe
Izay
amonjena marobe
Dia
vita re, ka midera
Fifonana
Famelan-keloka
Hira:
Endrey izany hafaliana fa velon'aina
izahay
(Miara-Mizotra
Pejy 101 andininy 1,2)
Endrey,
izany hafaliana
fa
velona aina izahay
Tanteraka
ny faniriana
ka
dera ho Anao, ry Ray!
Atolotray
tokoa ny tena mba
ho
fanati-tsitrakao,
Satria
manaiky sy ekena
ho
tonga olom-baovao
Ny
tanindrazanay malala,
ry
Jesoa Tompo, anjakao
Hiorina
eto, tsy hiala,
ny
fiadanana entinao!
Ny
aizin�ota anie hisava,
ny
fahantrana koa handao
Fa
ho tarafin�ny Mazava,
hanjary
tany vaovao
Vavaka
Vakinteny:
Eksodosy 14
Hira:
Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray (FFPM P146 andininy 1)
Anao
ny dera, ry Zanaky ny Ray;
Anao
ny fandresena, ry Mpanjakanay.
Ny
fasana nivoha, noho ny herinao
Ny
anaranao Tsitoha, tsy voatana tao.
Anao
ny dera, ry Zanaky ny Ray
Anao
ny fandresena, ry Mpanjakanay!
Filazantsara:
Jaona
20:1-23
Fanekem-pinoana
Apostolika
Hira:
Efa resy izao na dia ny fasana aza (FFPM P141 andininy 1)
Efa
resy izao na dia ny fasana aza,
Ka
asandrato re ny hira sy ny feo
Jesosy
nampikoy �lay rafy �zay nandoza.
�Ry
fahafatesana O! aiza moa ny herinao?�
Toriteny
Zava-maneno
(Orga)
Vavaka
Filazan-draharaha
Rakitra
Hira:
Raiso aho Tompo O (Miara-Mizotra P60 andininy 1,3,5)
Raiso
aho, Tompo O,
fa
te ho mpanomponao
Raiso
koa ny androko,
ka
anarano fo izao
Raiso
ny fahaizako,
ento
mba hanaja anao
Raiso
koa ny volako,
ho
anao tokoa izao.
Raiso
ny fanahiko,
diovy
ho tempolinao
Raiso
aho, Tompo O,
ho
anao mihitsy izao
Hira
nataon�ny
Fanolorana
Hira:
Ny ran'ny Zanakondry latsaka (FFPM
P255 andininy 1,4)
Ny
ran'ny Zanakondry latsaka
Namelona
ahy tany Golgota,
Ka
io no tena vatofantsika
Maharitra
ny tafio-drivotra
Raha
ketraka sy kivy re ny fo,
Velomiko
indray ny hirako
Ny
amin�I Jesosy sy ny ra
Ka
afaka ery ny tahotra.
Fandraisana
Vavaka
Fisaorana
Hira:
Jesoa Mpanjaka Malaza (Miara-Mizotra P42 andininy 1)
Jesoa
Mpanjaka malaza,
No
tompo Mpanjakanay
Mahery
sy tsara indrindra,
ka
izy no aronay
Mendrika
hankalazaina,
noho
ny heriny
Eran-tany
sy lanitra koa,
ny
zo am-dazany
Ry
Tompo, Mpanjaka mahery O,
Mihainoa
Avy
manaiky tokoa izahay
Fa
tompon�ny hery rehetra ianao
Tsy
misy mihitsy ny toa Anao,
Tsy
tratry ny saina ny herinao
Ny
fiderana �zay entinay raiso re!
Ny
haja atolotra Anao ety, Raiso izao!
Vavaka
nampianarin�ny Tompo:
Hira:
Endrey mba mahafinaritra loatra izany mpianakavy
(Miara-Mizotra
P67 andininy 3)
(Mifandray Tanana)
Endrey
mba mahafinaritra loatra
izany
mpianakavy
Anatin�ny
fifankatiavana,
miara-monina
Fa
voatsodranon�ny lanitra
Arovan�Izy
Ray
Izany
fifankatiavana,
Firaisan-kina
re!
Tsodrano
Zava-maneno
(Orga)
|