Pejy Fiarahabana

Ny firaisam-pinoana

Teny Vakiana

Takila hafa

Fitsangatsanganana


FIARAHA-MIVAVAKA IRAISAM-PINOAN'  

ny KRISTIANA MALAGASY 

WASHINGTON D.C sy ny MANODIDINA 


Tonga ity ny fotoana noheverina hiarahana hitsangatsanganana mba hanamafisana orina hatrany ny fifankatiavana sy ny firaisam-po ary indrindra ho fiaraha-midinika mialoha ny fomba hiarahantsika mankalaza ny Krismasy.

Mahafaly ny manasa antsika rehetra tsy ankanavaka mba ho tonga maro hifanatritava ny Asabotsy faha-29 Septambra 2001 ho avy izao ao amin’ny Lake Fairfax Park, 1400 Lake Fairfax Drive, Reston, Virginia.

Ny fandaharam-potoana dia toy izao manaraka izao:

9:30am – 10:00am  
  

  • Fikarakarana sy fandaminana ny toerana. Raisina an-tanan-droa izay terem-panahy ho avy mialoha hifarimbona amin'izany.  
  • Fangalana an’ireo izay mety handeha metro eny amin’ny Vienna Metro Station.

 

10:00am – 12:00pm            

  • Fifampiarahabana  

  • Korana 

  • Lalao isan-karazany (hisaorana mialoha ireo izay afaka hivatsy kilalao azo hitambarana toy ny baolina, karatra, sns.)

 

12:00pm – 2:00pm                

  • Sakafom-pirahalahina (iangaviana mba samy hivatsy sakafo, zava-pisotro, kojakoja fihinanana sns. izay ampy hifampizaran'ny mpianakavy)

2:00pm – 3:00pm            

  • Filazan-draharaha ankapobeny 

  • Dinidiniky ny Mpianakavy ho fanomanana Krismasy 2001 

  • Filazana toerana sy ora hankalazana ny Krismasy. 

  • Fandrindrana: 

    • fotoam-pivavahana, 

    • sakafo, 

    • mozika (piano, flute, violon etc.), 

    • fiaraha-mihira (antsam-piderana Krismasy), 

    • kilalao (tantara an-tsehatra), 

    • tononkalo, 

    • fitaovana ara-teknika(video, feo, jiro, sns.) 

  • Famerenana (mpampianatra, toerana, ora).

3:00pm                        

  •  Mitohy ny koranan' ny mpianakavy 

Fodiana

Andeha isika hanambatra ny talenta sy fanomezam-pahasoavana nomena antsika tsirairay avy hihobiana sy hiderana ny Tompo amin'ity Krismasy 2001 ity.


Toro-làlana:

 Raha avy any Maryland:

Mandraisa I-270 South

Mandraisa I-270 Spur South mankany amin’ny I-495 South/Northern Virginia

Mandraisa ny Capital Beltway/I-495 South

Mivoaha ny 495 South eo amin'ny 45A / VA-267 Toll West mankany Dulles Airport

Mandraisa VA-267 West (Portions toll).

Mivoaha eo amin'ny Hunter Mill Road, Exit 14

Mivilia ankavanana eo amin'ny Hunter Mill Road

Mijanona hatrany eo amin'ny Hunter Mill Road

Mihodina ankavia eo amin'ny Baron Cameron Ave/VA-674 South

Mihodiana ankavia indray eo amin'ny Lake Fairfax Drive

Eny amin'ny faran'io Lake Fairfax Drive io no misy ny Lake fairfax Park.

  

Raha avy any District of Columbia/VA:                       

Mandraisa 66 WEST

Mivoaha eo amin'ny Exit 67

Mandraisa VA- 267 Toll West

Mijanona eo amin'ny VA-267 Toll West (Portions toll)

Mivoaha  eo amin'ny Hunter Mill Road, Exit 14

Mivilia ankavanana  eo amin'ny Hunter Mill Road

Miijanona hatrany eo amin’ny Hunter Mill Road

Mihodina ankavia  eo amin'ny Baron Cameron Ave/VA-674 South 

Mihodiana ankavia indray eo amin'ny Lake Fairfax Drive

Eny amin'ny faran'io Lake Fairfax Drive no misy ny Lake fairfax Park.

Ireo izay manana fanontaniana momban’ity fitsangatsanganana ity dia iangaviana indrindra mba hanoratra amin’ny [email protected] .

Manantena ny hifankahita am-pifaliana amintsika rehetra tsy ho ela.

(*) Fanamarihina: ho an'izay mandefa antso na hafatra na filazan-draharaha eo amin'ny sehatry ny fiaraha-mivavaka dia iangaviana mba handefa izany an-taratasy amin'ny komity herinandro mialohan’ny fotoana.



 



 

Miverina eny ambony
Last updated 09/12/01 by Komity2001
Hosted by www.Geocities.ws

1