Ho an’ny Mpitandrina sy ny Filoha ary ny Komity amin’ny Faritany FPMA 6
Ho an’ny Mpitandrina sy ny Filoha ary ny Komitin’ny Tafo FPMA 34
Ho an’ny Mpitandrina sy ny Filoha ary ny Komitin’ny Fiaraha-mivavaka 3
Ho anareo Maintimolaly tato amin’ny FPMA
Ho anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra ato amin’ny FPMA
Ry havana malala,
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo sady Lohan’ny Fiangonana !
Mamerina manoratra aminareo aho taorian’ny Hafatra Pastoraly efa nalefako, satria zava-dehibe heveriko fa tokony hozaraina aminareo ity taratasy avy amin’ny Filohan’ny FPF nalefany taty amiko ity. Ny antony dia :
Taratasy nalefa tamiko izay Filohan’ny FPMA ary solontenanareo ity, mba hanamafy amin’ny fomba ôfisialy ny fandraisana antsika ho mpikambana feno ao amin’ny FPF, ka raki-tsoratra sarobidy mendrika ho tahiry ho antsika isaky ny tafo. Marina fa efa nisy ny filazana avy aty aminay Komity Foibe ny momba io vaovao mahafaly io, fa heveriko ho manana lanja manokana ihany raha ny Filohan’ny FPF amperinasa (amin’ny volana Jona izy vao hodimbiasan’I Pasteur Claude Baty izay vao voafidy farany teo) mihitsy no manambara amintsika ny vaovao momba ny nandraisana antsika ho mpikambana raikitra ao. Efa nanoratra mivantana ho azy aho naneho ny fankasitrahantsika noho ny andraikitra lehibe noraisiny nandresena lahatra ny amin’ny nandraisana antsika. Tsaroantsika tsara ny fanambarana nataony tany amin’ny Zaikabentsika tany La Roche-sur-Yon.
Mbola manamafy ny voalazako taminareo fa tazanin’ny olona isika FPMA ka tokony hampiseho ny maha-Fiangonana antsika matotra ara-pinoana satria itakiana fiaraha-miasa sy fijoroana ho vavolombelona. Saika aloka teo amin’ny fanaraha-maso antsika nialoha ny nandraisana antsika ny fisian’ny disadisa madinidinika teo anivontsika, ary indrindra nisy sasany tamintsika koa tany amin’ny tafo sasany tany «nenti-pahatsorana» angamba ka naneho ny fihetsehampony amin’ny fandraisany ny sampana iray misy ato amin’ny Fiangonantsika. Misaotra an’Andriamanitra isika fa tsy nahasakana ny tsara hitan’ny olona tamintsika ny lesoka madinidinika, ka mazava tsara ny taratasin’ny Filohan’ny FPF fa «l’Assemblée Générale de la FPF réunie les 31 mars et 1er avril 2007 s’est prononcée à une très large majorité en faveur de l’adhésion de l’Église malgacha en France (FPMA) comme membre à part entière de la Fédération Protestante de France. »
3) Mitaky andraikitra lehibe amintsika izao fandraisana antsika izao. Voalazako tamin’ny taratasiko fa «Fa mitaky andraikitra lehibe ho antsika izao zava-misy ankehitriny izao. Lesona lehibe tsy azo hamaivanina ny tokony hiezahantsika tsirairay avy ho matotra ara-pinoana sy hahatsiaro tena fa tena Fiangonana isika ankehitriny, eken’ny maro sy tazaniny akaiky, fa tsy toy ny fikambanana tsotra fotsiny. Hoy ny razantsika, hoe : «Ny adidy tsy an’olon-dratsy». Ny asa atao tsy vitan-dresaka sy fihetsehampo fotsiny. Manentana antsika Tafo tsirairay avy samy hiezaka hanefa ny adidintsika ara-bola ho enti-manana ny asa iombonana». Ny teboka fahatelo amin’ny taratasin’ny Filohan’ny FPF amperinasa dia manindry izany. Tsy ny adidy aloantsika any ivelany ihany fa ny ato antintsika koa ho enti-manana ny asantsika. Hamafisiko ny antso hanefanareo tsy mbola nahavita ny anjaranareo, ary mampiomana koa aho ny momba ny met yhisian’ny fitomboan’ny adidintsika tsirairay amin’ny ho avy.
Matoky anareo aho fa horaisinareo amim-pitiavana izao antso ataoko izao, ary mamerina mirary Paska sambatra ho anareo rehetra.
«Raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny Fiangonana no tadiavo indrindra.» I Korintiana 14, 12. «Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. »Hebreo 10, 24.
Mamangy sy manao veloma anareo amin’ny anaran’Ilay tia antsika.
Ny Filoha Synodaly- Filohan’ny FPMA,
Jean A. RAVALITERA, Mpitandrina
Docteur en Théologie