RAKOTOMALALA Eric
Mpitoriteny Nasionaly amin'ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy
FAMAKAFAKANA
FANOLORANA
A- FIARAHABANA APOSTOLIKA
FAMPISEHOANA NY LOHAHEVITRA
B- FITONDRANA FANAZAVANA ARA-TANTARA MASINA
I- JEROSALEMA tao amin'ny ZANAK'ISIRAELY
II- NY MPAMINANY SY NY ASANY
III- JESOSY KRISTY SY NY APOSTOLINY
C- NY VOTOATINY (Commentaire)
I-LANITRA VAOVAO SY TANY VAOVAO
( CIEUX NOUVEAUX ET TERRE NOUVELLE)
  1. Ny voalazan'ny mpaminany (contexte)
  2. Ny fahitana ny lanitra vaovao sy tany vaovao (La vision de nouveaux cieux et d'une terre nouvelle)
  3. Ny fahitana ny amin'ny ZIONA VAOVAO ( La vision d'une nouvelle SION )
  4. Ny fahitana : Fanasitranana tsy ho tsarovana ( La vision : guérison de la mémoire )
  5. Ny fahitana : Tsy misy hetraketraka intsony ( La vision : Pas de violence )
  6. Aiza ary ny fahitana ? ( Où est la vision ? )

II- NY AMIN'NY JEROSALEMA VAOVAO

  1. Ny fanatanterahan'ny TENY FIKASAN'ANDRIAMANITRA ( Promesses de Dieu réalisées)
  2. Tsy misy intsony fitomaniana, fisentoana, fijaliana ( Plus ni deuil, ni cri, ni souffrance)
  3. Ny fanatrehan'Andriamanitra ao amin'ny TABERINAKELY ( SKENE ) : La Présence de Dieu dans son tabernacle ( skene)
  4. Ilay mipetraka amin'ny seza fiandrianany (Du haut du trône )
  5. Alfa sy Oméga : Ny fiandohana sy ny fiafarana ( L'Alpha et l'Oméga, le commencement et la fin )

D- FEHINY ( Conclusion)

A- FIARAHABANA APOSTOLIKA

Hampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika. Amena.

Ny lohahevitra izay hodinihantsika amin'ity famakafakana sy famelabelarana ny tenin'Andriamanitra ity dia ny hoe : "TANTERAHO NY TENY FIKASANAO, ANDRIAMANITRA O !" . Hevi-teny malalaka nomenay araka ny bokin'ISAIA 65:17-25 sy APOKALIPSY 21 : 1-6 kanefa tsara aloha ny hitondrantsika fanazavana momba ny atao hoe JEROSALEMA tao amin'ny ZANAK'ISIRAELY, ny asan'ny Mpaminany ary ny antsoina koa hoe : APOSTOLY ao amin'ny filazantsaran'ny Tompo.

B- FITONDRANA FANAZAVANA ARA-TANTARA MASINA

I- JEROSALEMA TAO AMIN'NY ZANAK'ISIRAELY

Rehefa maty i Saoly Mpanjaka dia namdimby azy ny ny zanany atao hoe : ISBOSETA . Izy dia Mpanjaka tany atsinanana ( II Sam 2 : 8-10 ) fa i Davida kosa izay voahosotr'i Samoela Mpanjaka (I SAM 16 ) dia mpanjaka tany atsimo. Ny tanàna atao hoe : HEBRONA no nataony renivohitra ( II SAM 2 : 1 sy ny manaraka ). Novonoin'olona Isboseta fito taona taorian'ny nahafatesan' i Saoly ( II SAM 4 : 7 sy ny manaraka). Tamin'izay dia nivory ny foko rehetra tao Hebrona ary nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah fa i Davida no ho mpanjaka iombonana handimby an'i Saoly ( II SAM 5 :1 sy ny manaraka ).

Ny raharaha lehibe voalohany malaza nataon'i Davida rehefa nanjaka izy dia ny nandreseny an'i JEROSALEMA izay nanjakan'ny Jebosita. Nanao an'i Jerosalema ho renivohiny izy ka nanangana ny lapany tao ( II SAM 5 : 6 sy ny manaraka)

Nanangana tabernakely vaovao tao Jerosalema koa izy ka tao no nametrahany ny vata fiara izay nafindrany tany KIRIATA-JEARIMA. Nitafy ny lamban'ny Mpisorona i Davida ary nitarika ny filaharana izay nanatitra ny vata fiara ( II SAM 6). Nikasa hanangana tempoly ho an'i Jehovah koa izy saingy nosakanan'i Natana izany. Nisy tenin'i Jehovah tamin'izay nilaza ny asan'i Davida dia ny teny hoe :" Tsy i Davida no hanao ny trano ho an' Andriamanitra fa Andriamanitra kosa no hampaharitra ny fanjakan'i Davida" ( II SAM 7). Nanaiky i Davida ka ny fiomanana ny amin'io trano io no nataony.

Nahazo renivohitra ara-pirenena ny zanak'Isiraely sady nahazo foibeny ara-pivavahana. Maro ny anaran'i Jerosalema : Tanàna Masina, Ziona, Tanànan'ny Mpanjaka avo indrindra .( Teo amin'ny vohitra 780 m ambonin'ny ranomasina no nanorenana ity tanàna ity, 50 km avy any amin'ny ranomasina ). Maro ny firenena naniry sy niady hahazo io tanàna io.

Raha nitsangana nanafika sy niady tamin'i Davida ny foko maro manodidina dia resiny hatrany ny fahavalony.Reseny ny Filistina, ny fanjakana Syriana (Arameana ) any avaratra toy izany koa ny Moabita any atsinana ary ny Edomita any atsimo (II SAM 8). Ny sasany kosa dia nanaovany fanekem-pihavanana ( II SAM 5 : 11 ).

Niova ny fiainan'ny zanak'Isiraely nony tonga fanjakana mahery sy lehibe. Nandry fahalemana ny fanjakana (II SAM 8 : 15 sy ny manaraka). Mbola nohajain'i Davida ny fizarana azy ho foko roa amby ny folo kanefa ny fandresenana niombonana dia nampiray ny Isiraely rehetra.

Araka izay efa hita teo anefa dia ny renivohitra JEROSALEMA no tonga faneva nampiokambana azy indrindra tamin'ny andron'i Davida.Tsy nanana miaramila afa-tsy vitsy foana i Davida ( II SAM 15 : 18 ) fa rehefa nikasa hanafika kosa izy dia niantso ny lehilahy rehetra avy amin'ny tanàna rehetra. Noho izany dia tsy maintsy nody indray ny mpanafika raha tonga ny fotoam-pijinjana.

Tsy olona tanteraka araka ny etika kristiana (étique chrétienne) anefa izy. Hita ny maha-zanaky ny fanekena taloha azy. Tsy tsara araka ny fanekena taloha aza ny fitondran-tenany fa nanota tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona koa izy ( II SAM 11 - 12 ). Na dia hitan'ny Israelita aza ny fahadisoany dia tsy nisy mpanjaka mamy hoditra tahaka azy teo amin'ny Isiraely. Toa hadino ny tsininy amin'ny tantaran'ny Isiraely ka dia izy no mpanjaka idealy na maika hotratrarina. Efapolo taona no nanjakany. Izay no momba an'i Jerosalema tanànan'i Davida.

II- MPAMINANY SY NY ASANY

Voalaza miverimberina sahady amin'ny fitantarana ny andron'ny mpanjaka, ny mpaminany samihafa tao amin'ny Zanak'Isiraely. Tsy vao izao anefa no nananganan'Andriamanitra Mpaminany ho mpitarika ny olona fa nisy hatramin'ny voalohany. Samy voalaza ho Mpamonany na i Abrahama ( Gen 20 : 7) na i Mosesy ( Deo 34 : 20 ) na i Samoela ( Asa 13 : 20).

Arak'izany, ny fandrosoana amin'ny fahalalana an'Andriamanitra teo amin'ny Isiraely dia vokatry ny asan'ny mpaminany.

Tsy i Abrahama na i Mosesy loatra anefa no ao an-tsaina raha milaza Mpaminany isika fa ireo mpanompon'Andriamanitra nifandimby koa, indrindra indrindra fa tamin'ny andron'ny Mpanjaka.

Inona no raharahan'ny Mpaminany ? Ny ahazoantsika izany ankehitriny dia fanambarana mialoha ny ho avy mbola tsy hita. Lafiny iray amin'ny raharahan'ny Mpaminany tokoa izany nefa hita niharihary amin'ny tantaran'ny Zanak'Isiraely fa ny mpanambara sy ny mpanazava ny hevitry ny tenin'Andriamanitra no lazaina hoe : Nabi, teny hebreo ilazan'ny Testamenta Taloha ny Mpaminany. Nadika hoe : Mpitoriteny na mpilaza hafatra izany. Mifanaraka amin'ny asan'ny Mpaminany koa izany araka izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha. Samy nahalala ny tenany ho voantson'Andriamanitra ny mpaminany. Jereo Eksodosy 3 :4 ny amin'ny fiantsoana an'i Mosesy ; I Samoela 3 ny fiantsoana an'i Samoela ; Isaia 6 ; Amosa 7 : 15 . Mpanelanelana amin'Andriamanitra sy ny olona izy. Noho izany dia lehibe taminy izao fiantsoan'Andriamanitra azy izao ka niteny tam-pahasahiana hoe : " Izao no tenin'i Jehovah" na " Niteny tamiko i Jehovah" na " Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah". Miverimberina im-betsaka ireo teny ireo amin'ny fanambaran'ny Mpaminany ny sitrapon'Andriamanitra.

Tsy teny amin'ny ara-panahy ihany anefa no nentin'ny Mpaminany fa teny mikasika ny fiaimpiainan'ny firenena koa. Tsy mahagaga izany satria teokratika (théocratie) ny fanjakan'ny Zanak'Isiraely : Andriamanitra no mpitarika amin'ny zavatra rehetra ka nampiteny ny Mpaminany nymomba ny fitondran-panjakana sy ny fiaimpiainan'ny olona. Matetika dia fanoharana saro-pantarina no nataony ka ny anarana nomen'ny olona azy dia "Mpahita" ( Isaia 30 :10 - I TAN 21:9 ) na "lehilahin'Andriamanitra" ( I SAM 2:27 ; 9 :6 ) sy ny hoe "Mpitily" ( Isa 52:8 ; 56:10) na "Irak'i Jehovah" ( Hagay 1:13). Nisy ny mpaminany vavy toa an-dry Miriàma anabavin'i Mosesy ( Eks 15:20 sy ny manaraka) na Debora ( Mpitsara 4:4).

Ny Mpaminany dia nantsoin'Andriamanitra avy tamin'ny sampan-draharaha samihafa : nisy mpiompy, mpamboly na mpanao raharaham-panjakana .( I MPAN 19:20 / JER 1:1 / AMOSA 7 : 15). Nitondra akanjo fotsy ireo Mpaminany ireo ka nandeha tam-panetrean-tena fatratra arak'izay nolazain'Andriamanitra taminy.

Ny Mpisorona dia nanana ny anjara fanompoany tao amin'ny Tempoly na teo amin'ny toerana masina fony mbola tsy naorina ny tempoly fa ny Mpaminany kosa dia mitety vohitra ka nitory teny tamin'ny arabe na teny an-tsena na teny amin'ny toerana nivorian'ny fokonolona na teo am-bavahadin'ny tanàna, teo amin'ny tempoly , ary tao an-dapan'ny Mpanjaka.

Tao amin'ny fanjakana avaratra (ISRAELY) izay nisehoan'ny fihemorana ara-panahy indrindra raha vao nisaraka tamin'ny fanjakana atsimo ( JODA) dia ny Mpaminany no hany sisa nampahatsiaro ny olona ny amin'Andriamanitra.

Efa voalaza fa misy Mpaminany tao Isiraely hatramin'ny voalohany dia ny andron'i Abrahama. Eny, ny fitondrana ny firenena sy ny fivavahan'Isiraely dia mifototra amin'ny fanambarana nentin'ireo Mpaminany ireo. Mosesy no lehibe indrindra tamin'ny Mpaminany tao amin'ny ISIRAELY (Deo 34:10). Izy mantsy dia "fantatr'i Jehovah". Mosesy dia nahare feo ka nandray famantarana mivantana avy tamin'i Jehovah. Sahala amin'izay ihany koa no nandraisan'ny sasany an'ireo tena Mpaminany ny fanambarana azony.

(mbola mitohy)

Mitlohy)

Hatramin'ny andron'i Samoela anefa dia nisy karaza-mpaminany izay nanorina fikambanana (I SAM 10:15). Nitety tanàna izy ireo nihira sy nitendry zava-maneno ary naminany. Tsy ny fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra sy fitaomana ara-tsaina ny olona hanaraka ny lalàn'i Jehovah intsony no noheveriny ho voalohan-draharaha fa ny fampihetsehana ny fo no mahery taminy. Matetika dia lavo amin'ny tany izy ka tsy nahatsiaro tena mihitsy.
Nahatonga fifohazana tamin'ny tanàna maro ireo Mpaminany tanora ireo ary tsy isalasalana fa tanora mahafinaritra izay efa nanolotena ho an'Andriamanitra ireo. Toa niova anefa ka lasa amin'ny fihetsehana sy fomba ivelany loatra ireo fikambanan'ny Mpaminany na "sekoli-mpaminany" ireo ka tsy neken'ny mpanompon'Andriamanitra lehibe toa an'i Amosa ( Amosa 7:14).
Efa voalaza fa ny andron'ny Mpanjaka indrindra no niasan'ny Mpaminany. Vitsy anefa ny Mpaminany tamin'ny andro nialan'ny Zanak'Isiraely notarihin'ny Mpanjaka lehibe. Hatramin'ny andron'i Samoela ka hatramin'ny nizarana ny firenena ho fanjakana roa dia hita fa mbola vitsy ny mpaminany. Fa DAGA sy NATANA ihany no mpaminany tamin'ny andron'i Davida ( I SAM 22:52 / 2 SAM 24: 11 / 2 SAM 7:2 / 12:1 sy ny manaraka). Ny andro nandrosoan'ny faminaniana dia ny andro nitrangam-pahasahiranana hatramin'ny fizarana ny fanjakana ho roa.
Rehefa nandroso niharatsy ny Zanak'Isiraely dia tonga niantso ny olona hibebaka ny Mpaminany. Raha tsy mibebaka isika, hoy izy, dia tsy maintsy hampijalian'Andriamanitra ho fanadiovana antsika. Ny andro isehoan'izany famaizana izany dia nataony hoe : "andron'i Jehovah". Matetika ny firenena jentilisa manodidina no nampiasainy ny famalian'Andriamanitra ny olony . Afa-tsy izany, ny andron'i Jehovah dia andro nambaran'ny Mpaminany koa ho andro hamalian'i Jehovah ny firenena jentilisa. Farany dia nasehony koa ho andro hanomezan'Andrianitra rariny ny Israely sady andro hitsanganan'i MESIA eo afovoan'io andro io. Tsy nafeniny Mpaminany anefa fa manomboka amin'ny Isiraely ny fitsarana. Ny fanambarana loza sy famaliana nentin'ny Mpaminany matetika no nahazoan'ny Mpaminany anarana hoe : "Mpaminany milaza loza". Tsy loza ihany anefa no nolazainy fa hoy izy koa hoe :" Rehefa voavaly ny olona rehetra dia hisy ihany izay sisa kely voavonjy". Ity sisa kely tsy voaringana ity no nanjary fototry ny firenena vaovao izay hotarihin'i Davida vaovao dia i Mesia. Fa amin'izany andro izany vao tena hanjakan'ny fiadanana sy fahamarinana ary hanaiky an'Andriamanitra ny olombelona rehetra.
Mizara telo ny fitorian'ny Mpaminany dia ny filazany ny fahotana, ny famaliana ary ny famonjena.
Na dia toa tsy nahitana ny zavatra hiseho amin'ny andro ho avy aza ny Mpaminany dia toa tsy hitany mazava kosa ny fotoana marina hahatanterahan'izany. Araka ny hitan'ny Mpaminany dia toa hifanarakaraka amin'ny fotoanana mifanakaikaiky, na ny famaliana na ny famonjena nambarany. Misy elanelana be anefa ny fotoana tena nisehoany ka manana hevitra symbolika (symbolique) fotsiny matetika ny fotoana lazainy. Ny fahitan'ny Mpaminany dia azo ampitahaina amin'ny fijerena sary : Milahatra mitovitovy izay hita ka saro-pantarina izay alaha sy lavitra na ny anelanelany.
Manaraka izany, ny famonjena ambaran'ny Mpaminany dia famonjena ara-nofo matetika. I Mesia dia noheveriny ho Mpanjaka ara-nofo tokony honina any Jerosalema ho Mpanjakan'ny firenena rehetra. Mifangaro amin'izany fiheverana ara-politika izany ny hevitra ara-panahy kokoa hoe : "Mesia dia Mpamonjy ara-panahy". Indraindray foana anefa no voatondrony ny làlam-pibebahana hahazoana fihavanana amin'Andriamanitra. Ny famaliana kosa no voatondron'ny Maminany matetika.
Na dia mety tsy mahafa-po marina araka ny fiheverana ara-pilazantsara aza ny mpaminany dia nahavonjy ny Zanak'Israely tsy ho simban'ny finoanoam-poana sy ny fanompoan-tsampy izy. Matoa tsy levona ny firenena Israely tamin'ny fanenjehana nahazo azy tamin'ny andron'ny fanjakana roa dia ny Mpaminany no antony. Rehefa nitranga ny loza dia nohazavainy tamin'ny Israely fa tsy kisendrasendra izany. Noho ny tenin'ny Mpaminany dia fantatry ny Zanak'Israely koa fa tsy maharitra mandrakizay ny famaizana ka tsy maty fanantenana izy. Mbola hovonjena ihany izay rehetra mibebaka : ny fanambaran'ny Mpaminany an'i Kristy Mesia no nahazoan'ny Zanak'Israely toky sy hery indrindra. Mbola ifaliantsika Kristiana amin'ny fanekena vaovao ny filazan'ny Mpaminany an'i Jesosy sy ny nataony fahizay.
III- JESOSY KRISTY SY NY APOSTOLY
Hatramin'ny ela dia naverimberina tamin'ny Zanak'Israely ny filaza ny "andron'i Jehovah". Andro hitsarana ny olon'Andriamanitra izany, andro hamaliana ny olona manodidina koa noho ny fahotana nataony. Tsy afenin'ny Testamenta Taloha fa andro anehoan'Andriamanitra famindram-po sy fitiavana koa io andro io satria andro hanambarana fanekena vaovao amin'ny olona rehetra rehetra.
Ny fijalian'ny Zanak'Israely tany amin'ny fahababoana dia niteraka fahatsiarovana sy fiheverana izany bebe kokoa.
Amin'ny ilany dia mbola manamafy ny famonjena ara-pirenena ny Jiosy tamin'ny filzana izany fotoana izany. Jerosalema no renivohitr'izao tontolo izao. Israely sy Andriamanitra no hanapaka ny olona rehetra. Io no tantaran'ny bokin'i Daniela 2:34-35.
Amin'ny ilany anankiray indray dia velona tamin'izany andro faramparany talohan'ny nahaterahan'ny Mpamonjy izany ny fanantenana ara-panahy. Amin'ny andron'i Jehovah dia hisy fanorenana tany sy lanitra vaovaohanjakan'ny fahamarinana sy ny fiadanana. Ny maty dia hitsangana ary ny marina no hahazo anjara amin'ny fanjakan'ny fahamarinana. Ny meloka kosa dia hijaly amin'ny fijaliana mandrakizay. Ny bokin'ny Testamenta Taloha voasoratra tamin'ny faramparany no manindry izany indrindra. Jereo ohatra DAN 12: 2-3.
Mesia raraka ity hevitra farany ity dia mpanapaka ara-politika fa Mpamonjy ara-panahy. Nambaran'i Jesoa matetika tamin'ny toriteniny izany andro lehibe izany. Nolazainy mialoha ny fanorenana ny fanjakana vaovao. Ny Zanak'Olona no heverina amin-kery sy voninahitra handray ny fitarihana ny fanjakany. Jereo Mat 24 sy 25 / Marka 13 / Lioka 21.
Hoy i Paoly Apostoly hoe :"Tonga tamin'ny fotoan'andro ny Mpamonjy" ( Gal 4:4). Hita amin'ny tantaran'ny Israely fa tsy kisendrasendra fa voaomana tsara ny niavian'ny Mpamonjy. Voataiza tao anatin'ny taon-jato maro ny olon'Andriamanitra izay voatendry ho mpitondra ny famonjena hatramin'ny andron'i Abrahama. Ny fijaliana ara-nofo nahazo azy dia namelona ny fanantenany Mpanafaka dia ny Mesia.
Namboarin'Andriamanitra rahateo koa ny làlana ivelany hitaran'ny filazantsara.
Hatramin'ny andron'i ALEXANDRE lehibe ( 330 taorian'i J.K.) dia nitambatra ho fanjakana tokana ny tany rehetra hatramin'ny atsinana ka hatramin'ny andrefana ary fiteny sy lalàna mitovy no nampiasaina : ny fiteny roa latina sy grika. Ny grika dia mety ho azon'ny olona rehetra na taiza na taiza.
Na dia azo lazaina fa ara-nofo ny filozofia grika izay miantehitra amin'ny takatry ny sain'olombelona ary manohitra an'Andriamanitra dia mba ao koa ny lafiny azo raisina dia ny anambarany ny maha-iray ny olona.
Satria mahantra ny olona ary tsy tsara ny fikarakarana ara-tsosialy sady mila ho lon'ny fitondrantena ratsy ny firenena sasany dia velona ny hetaheta fanavaozana sy fanadiovana. Nijaly ara-pivavahana koa ny sasany noho ny fanerena azy hivavaka araka ny fivavahan'ny mpitondra ara-politika.
Izany rehetra izany indrindra no nahatongavan'i Jesoa Kristy, Zanak'Andriamanitra Tompon'ny Lanitra, teraka ara-nofo avy amin'ny taranak'i Davida nitondra ny filazantsaran'ny famonjena.
Ireo Vavolombelona nanatrika sy nahita maso no antsoina hoe : Apostoly. Izao no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy : Ny voalohany, Simona izay atao hoe Petera ; Andrea, rahalahiny ; Jakoba zanak'i Zebedio sy Jaona rahalahiny ; Filipo sy Bartolomeo ; Tomasy sy Matio mpamory hetra ; Jakoba zanak'i Alfeo sy Tadeo ; Simona kananeana ary Jodasy iskariota ilay namadika. ( Matio 10 : 2-4 ) . Ireo dia vavolombelona manambara ny asa nataon'i Jesoa sy ny toriteniny. I Paoly , Saoly teo aloha, mpampifatotra sy mpanenjika ny Mpianatr'i Jesoa tao Jerosalema (Asa 8:1) dia niova ho kristiana (Asa 9) ary tonga "mpanompon'i Jesoa Kristy voantso ho Apostoly (Rom 1:1). Nantsoina hoe :"Apostolin'ny Jentilisa izy satria tsy nandeha nitory tao amin'ny Jiosy ihany izy fa teny ivelan'ny Israely koa.
Maro ny olona niva fo sy nanaraka ny fampianaran'izy ireo ka mbola mitoetra amintsika ankehitriny ireo asa sy epistiliny.
Ry havana malala ao amin'ny Tompo,
Ireo no fanazavana izay tsy maintsy ho natao ho fitarihana ny saintsika hampahazava kokoa ny làlana hanomezantsika ny famakafakana sy ny famelabelarana ny lohahevitra hoe : " TANTERAHO NY TENY FIKASANA, ANDRIAMANITRA O ". Hojerentsika araka ny andinin-tsoratra Masina voalaza eto izany ary hatrany hatrany dia omentsika lohateny arakaraka ny hevitra voalaza ao amin'ny Soratra Masina sy ny famakafakana hoentintsika.
C- NY VOTOATINY
I- LANITRA VAOVAO SY TANY VAOVAO
1- Ny voalazan'ny Mpaminany
Ny fahitana izay lazain'ny Mpaminany Isaia ato dia mahagaga tokoa :" Fa indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao" (and 1). Fahitana tany vaovao tsy misy fitomaniana na fangirifiriana intsony ; tsy misy hetraketraka (violence), tsy misy fahasimbana, tsy misy faharatsiana na fisentoana koa. Ity no fanontaniana mipetraka : "Ahoana tokoa ny toe-javatra miseho amin'ny fahatanterahan'ity nofy na koa ny fahitan'i Isaia ity ? " Ny faminanian'i Isaia araka ny bokiny dia matetika manambara ny famalian'i Jehovah : loza sy fahakiviana ary faharavana. Nefa koa ity fahitana eto ity dia manondro ny jirom-panantenana, manazava ny làlana sy ny fanantenana, làlam-pitahiana sy fahasoavan-dehibe ataon'Andrianitra amin'ny olony.
Inona tokoa no voalaza manamarika izany toky sy fanantenan-dehibe izany tao amin'ny Zanak'Israely izay nolazaintsika fa i Davida no Mpanjaka idealy na mamin'ny Zanak'Israely indrindra ary ny zanany namdimby azy dia Solomona Mpanjaka ?
Tamin'ny fotoana nanjakan'i Solomona dia niadana tsara ny tany afa-tsy tamin'ny voalohany ihany izay nisehoan'ny fikorontanana kely notarihin'i Adonia rahalahiny (zokiny) izay nanangan-tena ho mpanjaka.( I MPAN 1: 5 sy ny manaraka). Tsy ny hareny ihany no nampahalaza an'i Solomona fa ny fahendreny koa (I MPAN 3:16 sy ny manaraka). Ny fahalalany dia nahasahana zavatra betsaka. Ren'ny olona tamin'ny tany lavitra aza ny fahendren'i Solomona. Toy izany no nandrenesan'ny Mpanjakavavin'i Sheba ny lazany. (I MPAN 10: 1 sy ny manaraka). Ny nampahalaza indrindra an'i Solomona dia ny Tempoly natsangany.( I MPAN 5: 15 / Toko 8 manontolo /II TAN 2:6).
Kanefa na niadana aza ny vahoaka noho ny fananganana ireo trano maro ireo dia be ny asa hanompoana tsy maintsy nataon'ny mponina ( I MPAN 9:20-22) : Nandaniana vola be ny trano natsangany ; tsy maintsy nampitomboina ny hetra isan-dahy. Taty aoriana dia nanota teo anatrehan'Andriamanitra i Solomona. Vokatr'izany dia tsy navelan'Andriamanitra nanjaka tamin'ny Zanak'Israely manontolo ny zanany.( I MPAN 11: 1-13). Nikomy ny olona sasanynotarihin'i Jeroboama kanefa resiny ihany. Nandositra tany Egypta i Jeroboama ary nipetraka tany mandra-pahafatin'i Solomona ( I MPAN 11:26-40). Rehoboama zanany no namdimby azy (I MPAN 12:1 sy ny manaraka).
Diso fanantenana anefa ny olona satria niovaova mpitondra ny zanak'Israely ary niova arak'izany koa ny fanompoam-pivavahana ( MAL 1: 11-14). Fahakiviana no nisolo ny fanantenana sy ny finoana : fahakiviana niteraka fihemorana ara-panahy sy ara-pitondran-tena. Lasa teo ambany fiadidian'ny firenena vahiny ny Zanak'Israely : ny Egyptiana, ny Syriana, ny Babyloniana, ny Asyriana ary ny Persiana. Raha tonga izany hoy ny Mpaminany Jeremia sy Ezekiela dia satria nihodina tamin'ny fanekeny sy fankatoavan'Andriamanitra ny Zanak'Israely ka ho famaizan'i Jehovah no nahatonga azy ireo ho babon'ny hafa.
2- Ny fahitana : Ny tany vaovao sy lanitra vaovao
Taorian'ireo Mpaminany rehetra nifandimby maro amin'ny filazany ny loza hanjo dia voamariky ny Mpaminany Isaia eto tamin'ny alalan'ny fahitana ny fahariana vaovao (monde nouveau) tsy nataon-tànana tahaka izay hita tamin'ny fanjakana nitondran'i Solomona Mpanjaka, na dia tsara tokoa tamin'izany ny olony. Fa mbola tsara lavitra ambon'izany ity izay sarin'ny fahitan'ny Mpaminany eto : " Fa, indro, Izaho nahary lanitra vaovao sy tany vaovao ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay satria mahay izany Aho ; fa, indro, nahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko ; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina" ( And 17-19). Inona tokoa moa no hevitra hita amin'ity fahitana ity ? Azo arahina sy inoana tokoa ve izany ?
Ry havana malala ao amin'ny Tompo,
Azo adika ho zavatra telo lehibe ny vokatry ny fahitan'Isaia Mpaminany eto : Fiovan'ilay voaary, fanasitranana ireo fahakiviana teo amin'ny olony ary fahariana an'i Jerosalema vaovao.
Ny sary voaloko eto dia tsy fahitana ho amin'ny fahataperan'izao tontolo izao. Ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao dia tsy mitovy velively ary tsy fanavaozana ihany fa tena fahariana vaovao mihitsy : tena famoronana mitovy amin'izay hita ao amin'ny Genesisy 1:1. Ny andininy manaraka no manambara fa fahariana hafa ihany ity nefa izay zavatra tao aminy dia tehirizina : Jerosalema dia ho Jerosalema ihany ; ireo voaloboka tao dia mbola ao aminy ihany ; ireo olona tao dia mbola ho ao ihany ho velona sy ho faty saingy ny fandehan-javatra no hiova tanteraka. Raha izany no fahitana amin'olon'Andriamanitra, nahoana tokoa izy no mitady fiovana amin'ny lanitra sy ny tany ? Satria ve ireo dia tena mijaly koa noho ny fitsaran'Andriamanitra na niharan'ny fanozonana sy famaizana : mosary, fahakiviana, fihetriketrehana ? Ireo koa dia tokony ho havaozina.
3- Ny fahitana amin'ny Ziona vaovao
Ny fahitana dia tahaka ny mahita an'ny Jerosalema vaovao sy ny anarany masina izay hoe : Ziona vaovao. Ziona no afovoany noho ny antony maro : Tanàna masina simba, narodana ary nodorana. Noho izany , Jerosalema voaova dia tahaka ny manambara ny tanindrazana, toerana misy ny olon'Andriamanitra mahatoky mandrakariva amin'ny fanatrehan' Andriamanitra azy, ny fiarovana azy eo amin'ny toerana iray antsoina hoe : "Tendrombohitra masina" (and-25). Jerosalema dia ambonin'ny hoe :tanànan'ny olon'Andrianitra ihany fa natao hoe :" Ivon'ny Tany" (Centre de la Terre). Ity hevitra momba ny ivo masina ity dia azo antsoina hoe :" Foitran'izao tontolo izao" ( le nombril du monde). Teboka manome fiainana sy tara-pahazavana ary ny fanatrehan'Andriamanitra.
Noho ny fanavaozana an'i Ziona, ny "foitran'izao tontolo izao", loharanon'ny fiainana dia hahazo hery izy sy tena voaova. Noho izany dia mazava ho azy fa i Jerosalema no ho tonga sy hamboarina ho Fifaliana lehibe (Exultation) : Fifaliana sy firavoravoan'ny tany rehetra (and 18). Izany toerana firavoravoana izany no ankasitrahan'Andriamanitra ho fiderana Azy sy ho fitoerana koa.
4- Ny fahitana : Fanasitranana tsy ho tsarovana
Ity làlana iray ity matetika dia tsy voadikan'ireo mpanao ny famoronana ireo ( exegétes) : Fahitana tsy ho tsarovana intsony sy efa sitrana." Fa dia tsy ho tsarovana intsony ny taloha na mby ao an-tsaina akory aza" (and 17b), hoy ny Mpaminany. Rehefa nanota ny olona dia nipoitra ny ratsy rehetra, ny faharariana sy ny fahasimbana. Tonga ny fotoana anadinoana ny teo aloha rehetra ka hibanjinana ny ho avy rehetra. Ny and 17 dia manondro fa NY FANASITRANANA TSY HO TSAROVANA ( La guérison de la mémoire), ny fanadinoana tanteraka ny fanaintainana tany aloha izay mitondra amin'ny fiainana sy fiadanana ary firavoravoana vaovao.(And 19a).
"Ary ny feo mitomany tsy ho re intsony na ny feo mitaraina."(and 19b). Ireo fandravana lehibe sy faharatsiana nampisento ka nanosika ny fahakiviana dia tsy hipoitra intsony sy tsy hitondra fanaintainana ho an'ny olony satria efa ho fafana tsy ho tsarovana intsony : "Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro" ( and 20a). Raha tsy izany dia (and 20b) : "Ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny. Fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa ho zato taona". Araka izany dia haharitra kokoa ny olona vao maty.


Tohiny )
Ny and 21b : " Ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy" : Tsy misy famaizana intsony avy amin'Andriamanitra fa fiadanana tokoa.
Ny and 22: " Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy na hamboly zavatra hohanin'ny olon-kafa fa ho taloha ny andron'ny lazo, ny andron'ny oloko" : Tsy ho tonga intsony ny fahavalo mpandroba fa samy hanao ny tenany ho fiasana sy ho fifaliana araka ny asany avy.
Ny and 23a " Tsy hisasatra foana izy na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka " : Harovana tokoa izy sy ny taranaka azony avy amin'Andriamanitra : tsy aza alaina an-keriny ny ankohonany na vonoina.
Ny and 23b " Fa taranak'izay notahian'i Jehovah ireo". Hotahian'Andriamanitra sy hohasoavan'Andriamanitra ho amin'ny fiainana feno sy fahasitranana ny fahatsiarovana ny fiainany teo aloha.
5- Ny fahitana : Tsy misy hetraketraka intsony
Ny sary izay manaitra ny nofin'ny Mpaminany eto dia mitovy amin'ny lazaina, izay voaloko amin'ny fiavian'i Mesia ao amin'i Isaia 11:5-9. Ny tany vaovao dia tsy misy hetraketraka.Voalaza ao amin'ny and 25 hoe : " Ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana" : Ny fahamarinan'nyfahatsarana rehetra dia fahatsoram-panahy taratry ny fiovan'ny voaary sy ny fiadanan'ny tany.
Araka ny voalaza teo aloha, ny fiovan'ny voaary manontolo dia azo tsapain-tànana, tsy maintsy ho tena fiovana : tsy miova fotsiny fa mihavao koa.
Ny hetraketraka nanapotika ny zava-boaary dia tsy maintsy ho lefy ; ny tany voajanahary isan'ny nofy dia toy ny tany afaka tamin'ny faharatsiana sy ny siaka rehetra.
Amin'ny Noely dia tazana izany sary izany. Amin'io tokoa, ny olombelona sy ny biby dia samy mankalaza Azy : " Fiadanana eo amin'ny tany " ( Paix sur la terre ). Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : " Azontsika Kristiana handikana ity fahitana ity ve ny Noely ?
6- Aiza ary ny fahitana ?
Mampalahelo fa i Jerosalema voalazan'ny Mpaminany tamin'ny fahitana dia tonga amin'ny fahatanterahan'ny nofiny ankehitriny : toerana izay anjakan'ny hetraketraka. Ny Zanak'Israely mandroso sy ny Palestiniana dia tsy miaina amin'ny fandriam-pahalemana fa amin'ny ady tsy misy fiafarany. Ny fampitam-baovao no ahitantsika izany...Dia ho diso ve ny fahitan'ny Mpaminany ka tsy misy raharaany ?
Maro ireo izay tena nanao ahitana vahaolana tsara mba hanjakan'ny fandriam-pahalemana amin'izany tany izany saingy tsy mora no mampifanatona ny Mpiady amin'ny tafondro sy basy tonga lavitra (lance roquette ). Afa-tsy izay hantenaintsika indray ho fahitam-panantenana, ahoana i Jerosalema vaovao, hoy ny Apokalipsy 21 ? Milaza ny zava-misy ankehitriny ve izy ? Ahoana no fomba ahitantsika ireo famantarana ho fahatanterahan'ny teny fikasan'Andriamanitra amin'ny tany ?
II- NY AMIN'NY JEROSALEMA VAOVAO
Ny fahitana amin'ny fanantenana dia indraindray toa manjavozavo ihany. I Martin LUTHER KING dia nanohitra ny hanoanana sy ny fahantrana ( la faim et la pauvreté ) tamin'ny taona 1960 raha nijery ny fahitana an'i Jerosalema vaovao voalazan'ny Apokalipsy 21: " Mahafinaritra sy tsara ireo miteny hoe : tanàna tondrahan-dronono sy tantely" nefa Andriamanitra dia maniraka antsika hikaroka ireo tena tsy manan-kialofana ( taudis d'ici bas) sy ireo madinika indrindra tsy manan-kohanina isan'andro.
Mahafinaritra sy tsara ( C'est beau et bon de parler ) ny miteny hoe :"ny amin'ny Jerosalema vaovao" nefa ho tonga ny andro tsy maintsy hitenenan'ny Mpitoritenin'Andriamanitra (Prédicateur) mba hilaza an'i New York, New Atlanta, New Philadelphie, New Los Angeles ary Memphis. Izao no tokony hataontsika : " I've been to the Mountaintop" ( Hiakatra ao an-tendrombohitra aho) .( 3 Avril 1963 Memphis, Tennesee ).
Ny fahitana eto amin'ny Apokalipsy an'i Jerosalema vaovao sy ireo famirapiratan'ny tanàna ravahan'ireo volamena sy vavahadin'ny lanitra ka tsy hisy intsony ny fahafatesana sy ny fitomaniana dia hitondra amin'ny hery nantenain'ny olony Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra.
Ny amin'ny tanànan'Andriamanitra ( Augustin aux spirituals et aux gospels des afro-américains), ny tanàna masina ao amin'ny Apokalipsy dia loharano manome fanasitranana sy fanavaozana.
Jerosalema vaovao dia fahitana ny amin'ny fiainantsika ao amin'Andriamanitra rehefa maty isika nefa dia feno koa ny teny fikasana eto an-tany ho an'i Jerosalema sy ireo toerana hafa misy ady ka hanome antsika fomba fahitana "amin'izay tokony nataontsika" ( ce que nous avons à faire ), hoy ny tenin'i Pasteur Luther KING.
1- Ny fahatanterahan'ny teny fikasan'Andriamanitra :
Hita amin'ny faran'ny bokin'ny Apokalipsy, amin'ny faran'ny baiboly ny fahitana an'i Jerosalema vaovao an'i Apokalipsy 21 izay mitondra amin'ny fahatanterahan'ny asa rehetra amin'ny teny fikasan'Andriamanitra : ny amin'ny mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'i Israely sy ny firenena rehetra ( Prouesse de nouvauté du prophète ESAIA) : " Indro, izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao " ( Isaia 65:17). Ireo no teny fikasana voalazan'ny Mpaminany an'i Jerosalema voaary sy Jerosalema any an-danitra (Jérusalem célèste) ary ireo fanambarana ao amin'ny Apokalipsy ao amin'ireo filazana ny amin'ireo FIANGONANA FITO ( Apokalipsy 2 sy 3 ).
Ny finoana fa amin'izany tanànan'i Jersalema any ambony izany dia heverina misy endrika fisehoan'ny vehivavy na reny : miverimberina ny filazana ao amin'ny Baiboly ( Gal 4 :26 / Heb 12:16) . Araka ny Soratra Masina, i Jerosalema nohavaozina dia vita amin'ireo vato sarobidy ( Isaia 54:11-12) ka nanome enrika mahafinaritra ny Tempoly vaovao ( Ez 40-48) ary hampiakatra ny vadiny amin'Andriamanitra, amin'ny fanekena am-pitiavana ( Alliance d'Amour ) ( Isaia 54: 5).
Taorian'ny faharavan'i Jerosalema teto an-tany nataon'ny Romanina ( 70 taona taorian'i J.K.), ny fifandraisan'ny olona dia niharatsy hatrany ary torak'izany koa ny tamin'Andriamanitra.
Ny Jerosalema vaovao izao dia tanteraka tamin'ny alalan'ny fahitana hitan'i Jaona an'izany teny fampanantenana izany ka nitondra ny fiangonana hijoro amin'ny fahamarinany sy ny olony. Nanoratra koa i Pastera Luther KING fa ho levona ny lanitra sy ny tany misy amin'izao fotoana izao fa miandrandra lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran'ny fahamarinana izy ( II Pet3:12-13).
Nanoratra koa i Paoly fa izao zavatra ary rehetra izao dia hovotsorana amin'ny fandevozana ny fahalovana amin'ny fahafahana momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra.(Rom 8:20-21). Amin'izao fahitana hitan'i Jaona izao dia efa lasa ny zavatra taloha (Apo 21:11) ary zava-baovao no mandimby izany. Tsy ho simba intsony izany na ho levona. Ampian'i Jaona koa fa tsy hisy ranomasina ao amin'ilay voaary vaovao. Ny Apok 2 sy 3 dia mampanantena fa " ho homena ho hanina ny hazon'aina ao amin'ny fiainana mandrakizay".Ny Apok 2 sy 7 dia milaza fa ho tonga mponina sy olony izay mitoetra ao amin'ny tanàna masina ; isika izay ao amin'i Jerosalema vaovao nidina avy tany an-danitra (Apok 3:12).
Ny teny fikasan'Andriamanitra, ny amin'ny fiainana mandrakizay sy mponina ao amin'i Jerosalema vaovao dia tanteraka ankehitriny ao amin'ny tanàna masina araka ny Apokalipsy 21-22. Ireo teny fikasan'Andriamanitra rehetra dia mitambatra ao amin'io fahitana io ny fahantanterahany rehetra.
2- Tsy misy intsony fitomaniana, fisentoana, fijaliana
( Plus ni deuil, ni cri, ni souffrance )
Ny Apokalipsy 21 sy 22 no milaza amintsika ireo zavatra haorin'Andriamanitra tokoa amin'izany tanàna masina izany . Ny Apok 21:1 dia tsy misy ranomasina intsony, tsy misy fahafatesana na fitomaniana, ny ranomaso sy fijaliana. Ny Aok 21:4 : tsy misy ny ozona ratsy ; ny Apok 22:3 : tsy misy alina (Apok 21:25 / 22:5). Manambara ny fahasamihafana ny fanoherana tanteraka an'i Babylona na ny Romana teo aloha ity Jerosalema vaovao ity.
Tsy hiara-mitoetra amin'Andriamanitra ao amin'ilay tanàna masina fotsiny ny Mpino fa honina amin'ny fifaliana mihitsy. Andriamanitra no hamafa ny ranomaso rehetra amin'ny masony : tsy hisy alahelo na aretina na fanaintainana any amin'i Jerosalema vaovao ( Isaia 35:10 / Apok 7 : 16-17) , tsy hisy intsony ny fahafatesana ( Isaia 25 :8 / I Kor 15:54 / Apok 20:14 ).
Tonga tety an-tany ny fahafatesana noho ny fahotan'olombelona (Rom 5:12) fa any amin'lay tanàna masina dia tsy hisy fahotana intsony, tsy hisy fahafatesana intsony.
Tsy lanitra vaovao sy tany vaovao ihany no hitan'i Jaona tao amin'ilay fahitana fa tanàna masina izay antsoina hoe : JEROSALEMA VAOVAO ihany koa ( Gal 4:26 / Heb 11:10-16 / Apok 3:12). Hitan'i Jaona tao anatin'ilay fahitana ilay tanàna masina midina avy any an-danitra. Andriamanitra no nahary izany tany izany fa tsy ny olombelona ho fanomezana ho an'ny Mpino an'i Kristy rehetra.
Tsy ny famantatra any an-danitra ihany no asehon'zany tanàna masina izany fa ny Fiangonan'i Kristy koa. Ho isan'zany Fiangonana izany avokoa izay rehetra voasoratra tao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarany ( Heb 12: 22-23). Izany Fiangonana izany koa no ampakarin'i Kristy ka efa mihaingo hihaona ny vadiny. ( II Kor 11:2 / Efes 5: 25-27 / Apok 19:6-8) . Manao ahoana àry ny fahasamihafan'ny fofombady masina ampakarin'i Kristy sy ilay vehivavy janga lehibe ? ( Apok 17:1). Manao ahoana ny fahasamihafan'i Jerosalema any an-danitra sy ny Babylonan'izao tontolo izao ?
3- Ny fanatrehan'Andriamanitra ao amin'ny tabernakeliny
Ary nahare feo i Jaona nanao hoe : " indro ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ka Izy hitoetra eo aminy ary ireo ho olony". Tsy toerana honenan'ny Mpino ihany izany tanàna masina izany fa toerana honenan'Andriamanitra koa. Andriamanitra mihitsy no honina any ka isika no ho vahoakany sy Fiangonany ( Levitikosy 26:11-12 / Ezek 37 : 27 / I Pet 2:9 ) araka ny filazantsara nosoratan'i JAONA 1:14 " Ary ny teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika."
Noho izany dia nampahatsiaro koa ny Zanak'Israely tany an'efitra sy ny fametrahan'Andriamanitra azy ireo tao amin'ny tabernakeliny nandritra ny fandolihana tany an'efitra. Voalazan'ny Mpaminany Ezekiela hoe : "Ary ny taberinakeliko ho eo aminy ary Izaho ho Andriamaniny " ( Ezek 37:27).
4- Ilay mipetraka amin'ny seza fiandrianany
Ary ren'i Jaona Andriamanitra nanao hoe :" Indro, havaoziko ny zavatra rehetra " ( Apok 21 : 5) : lanitra vaovao, tany vaovao, tanàna vaovao, olom-baovao. Olom-baovao ihany no handeha honina amin'ny tanàna vaovao. Efa manomboka olom-baovao isika Mpino noho ny finoantsika an'i Kristy ( Jao 3:3 / II Kor 3:18 / 4: 16-18 /5:17 / Kol 1:13-14 ). Rehefa atsangana ny tenantsika dia ho tonga vaovao tanteraka isika ka ho vonona hiditra any amin'ilay tanàna vaovao.
Miantso antsika Andriamanitra izay mipetraka amin'ny seza fiandrianany ka mampanantena sy manome maimain-poana antsika ny rano velona. " Avia, ary aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimain-poana amin'ny ranon'aina (Apok 22:17b). Mitovy koa amin'izay voalazan'i Isaia Mpaminany hoe :" He ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano, àry ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna ! Eny, avia mividia divay sy ronono nefa tsy amin-bola na amin-karena." ( Isaia 55:1)
5- Alfa sy Oméga : Ny fiandohana sy ny fiafarana
Andriamanitra, Alfa sy Oméga : ny fiandohana sy ny fiafarana ( Apok 1:8) no hampisotro antsika maimain-poana ny loharanon'ny ranon'aina. Tsy iza anefa izany loharano izany fa i Kristy : " Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. ( Jaona 4:14 / Salamo 36 : 7-9 )
C - FEHINY
Raha tsy tena mbola azo sy tsy mazava amintsika fa manjavozavo ihany ny fahitantsika an'i Jerosalema vaovao ary toa ritra daholo ny ony sy maina ny tany manodidina antsika dia ny Tompo no mbola miantso antsika mba hihinana sy hahita ny teny fikasany ao amin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fahamasinany amin'ny fanambarany sy ny fanatrehany ary ny fiderana Azy.
Amin'ny fiandrasantsika ny fahatanterahan'izany teny fikasana izany sy itomboantsika amin'ny finoana dia miaraka mihinana sy misotro eo amin'ny latabatra masina izay mitondra antsika amin'ny fahamasinan'Andriamanitra satria manamasina ny tenantsika isika amin'ny fiomanana amin'izany. Ho masina tokoa isika araka ny fahamarinana sy ny fahamasinan'Andriamanitra izay miantso antsika ho Mpianakavy ny finoana, ho mpiray lova amin'i Kristy Jesoa izay eo amin'ny seza fiandrianany. Amena ! Avia, Jesoa Tompo ! ( Apok 22:20)
Ho Azy anie ny Dera sy Laza ary ny Voninahitra mandrakizay. AMENA !
FIN

2007-04-14 00:24:47 GMT
Hosted by www.Geocities.ws

1