| Andriamatoa RAKOTOMALALA Eric dia nahazo ny ambaratonga rehetra ilaina eo amin'ny Fiangonana sy ny fiainana kristianina. Nanitikitika azy foana ny nianatra ny baiboly ka nandalina an'izany tao amin'ny Soon Bible Course of England tamin'ny taona 1989. Afaka soa aman-tsara izy tamin'ny taona 1991 ary dia nahazo ny mention très bien. Tsy afa-po tamin'izay vitany anefa izy ka niditra indray tao amin'ny sekolin'ny Mpitoriteny taty an-dafy mba ho Mpitoriteny Nasionaly rehefa tafita. Noho ny sitrapon'Andriamanitra dia afaka indray izy ary tonga Mpitoriteny Nasionaly tamin'ny Janoary 2007. Mitana andraikitra maro ao amin'ny Fiangonany Andriamatoa RAKOTOMALALA Eric : Mpampianatra sy Filohan'ny Sampana Sekoly Alahady izy, Diakona, Komity ary Mpitoriteny Nasionaly amin'ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy. Izay Andriamatoa RAKOTOMALALA Eric raha lazaina fohifohy. "Ankino amin'i Jehovah ny asanao dia ho lavorary izay kasainao." OHABOLANA 16 : 3 |