RAKOTOMALALA Eric
Mpitoriteny Nasionaly amin'ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy
ANDRIAMANITRA



Andriamanitra irery
No mahita ny ato am-poko,
Ka mbola nahay nijery
Fony tojo izay toloko !


Andriamanitra ihany
No mahita ny ato an-tsaiko,
Ka atokisako avy hatrany
Rehefa reraka ny aiko !


Andriamanitra Tsitoha
No mihazona ny fiainako,
Ka n'inona n'inona manjo,
Mbola Izy no hitarainako.


Andriamanitra tsy foy
No Mpitarika ny làlako,
Ka na tsisy izay fivoy,
Mbola Izy no tsy halako.


Fredy JAOFERA


2007-04-13 22:18:41 GMT
Hosted by www.Geocities.ws

1